Matthew 16

1Tonga ireo Fariseo sy Sadoseo ary nitsapa Azy ka nangataka Azy mba hampiseho azy ireo famantarana avy any an-danitra. 2Fa Izy namaly ary niteny azy ireo hoe: “Rehefa hariva, dia hoy ianareo hoe: ‘Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.’

3Rehefa maraina, dia hoy ianareo hoe: ‘Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra.’ Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lanitra, fa ianareo tsy afaka mandika ireo famantarana ny fotoana. 4Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana homena azy ankoatra ny famantaran’i Jona.” Avy eo Jesosy nandao azy ireo ka lasa.

5Rehefa tonga teny ampita ireo mpianatra, dia adinon’izy ireo ny nitondra mofo. 6Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Miambena ary mitandrema amin’ny masirasiran’ireo Fariseo sy Sadoseo.” 7Niady hevitra ireo mpianatra ka nilaza hoe: “Noho isika tsy nitondra mofo izany.” 8Jesosy nahafantatra izany ka niteny hoe: “Ianareo ry kely finoana, nahoana ianareo no miady hevitra aminareo ka miteny fa nohon’ny tsy nitondranareo mofo izany?

9Mbola tsy fantatrareo na tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ny dimy arivo, ary sobika firy no nangoninareo? 10Na ireo mofo fito ho an’ireo efatr’arivo, ary sobika firy no nalainareo?

11Ahoana no tsy ahazoanareo fa tsy momban’ny mofo no nolazaiko anareo? Miambena ary mitandrema amin’ny masirasiran’ireo Fariseo sy Sadoseo.” 12Avy eo azon’izy ireo fa tsy hitandrina amin’ny masirasiran’ny mofo no nolazainy azy ireo, fa hitandrina ny amin’ny fampianaran’ireo Fariseo sy Sadoseo.

13Ary rehefa tonga tany amin’ny faritra akaikin’ny Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ireo mpianany Izy, manao hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?” 14Hoy izy ireo hoe: “Ny sasany milaza fa Jaona mpanao batisa; ny sasany, Elia; ary ireo hafa, Jeremia, na iray amin’ireo mpaminany.” 15Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?” 16Namaly, Simona Petera nanao hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.”

17Namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: “Sambatra ianao, ry Simona Bar-Jona, fa tsy ny nofo sy rà no naneho izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18Lazaiko aminao ihany koa fa ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako. Ny vavahadin’ny fasana dia tsy haharesy izany.

19Homeko anareo ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra. Na inona na inona fehezinao eto ambonin’ny tany dia ho fehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanao ety an-tany dia ho vahana any an-danitra.” 20Avy eo Jesosy nandidy ireo mpianatra fa izy ireo dia tsy tokony hilaza na amin’iza na iza fa Izy no Kristy.

21Tamin’izany fotoana izany Jesosy nanomboka niteny ireo mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, hizaka fijaliana maro eo an-tanan’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangana indray amin’ny andro fahatelo. 22Avy eo Petera naka Azy ka niteny mafy Azy, manao hoe: “Ho lavitra anao anie izany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mihintsy anie izany.” 23Fa Jesosy nitodika ka niteny tamin’i Petera hoe: “Mialà any ivohoko, ry Satana! Ianao dia fanafintohinana ho Ahy, noho ianao tsy miraharaha ireo zavatr’Andriamanitra, fa ireo zavatrin’ny olona.”

24Avy eo Jesosy niteny tamin’ireo mpianany hoe: “Raha misy te-hanaraka Ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy, hitondra ny hazofijaliany, ary manaraka Ahy. 25Fa na iza na iza te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, ary na iza na iza no hahavery ny ainy nohon’ny amiko, dia hahazo izany. 26Fa inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao kanefa very ny ainy? Inona no omen’ny olona ho takalon’ny ainy?

27Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ireo anjeliny. Avy eo Izy hamaly soa ny olona tsirairay araka izay vitany. Lazaiko marina aminareo, fa misy sasany aminareo izay mijoro eto no tsy hitsapa ny fahafatesana mandrapahitan’izy ireo ny Zanak’Olona tonga amin’ny fanjakany.”

28

Copyright information for PltULB